Fandaharana isan'andro hianarana Soratra Masina arahina fiaraha-mivavaka iarahana amin'ireo mpitandrina eto amin'ny FPMA.

Ny Fanahin'ny Fiaraha-mivavaka:

Ny tenin'Andriamanitra afaka hanazavantsika ny fanahin'ity fiaraha-mivavaka ity dia izay hitantsika ao amin'ny Joba 22.21: "Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao".

Teny nataon'i Elifaza ho an'i Joba izany. Na dia marina aza ny teny dia tsy Joba no tokony ho niantefan'izany fa ny olona toa antsika izao. Inona no anton'ny antso mba hifankazatra amin'Andriamanitra? Mba ho akaiky azy? Satria tsy mandeha ho azy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombenona izany mifandray amin'Andriamanitra izany. Ny manome tsiny an'Andriamanitra na mitady vaha olana any amin'ny toeran-kafa no mahavantana antsika rehefa misy manahirana.

Izay olona mifankazatra amin'Andriamanitra dia hahay matoky azy sy mametraka eo aminy ny zavatra rehetra . Noho izany dia hiadana ary ho feno fitahiana.

Noho izany  ny fiaraha-mivavaka izay atao isan'andro eto dia natao mba hifankazarantsika amin'Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Mpamonjy antsika....

Ny kendren'ny Fiaraha-mivavaka:

Zavatra efatra farafahakeliny eto no ahafahantsika mifankazatra amin'ny Tsitoha: 
Ny hira iraisan'ny fianakaviana, ny Tenin'Andriamanitra vakiana, ny Tenin'Andriamanitra hazavaina ary ny vavaka isam-pianakaviana. 
Tsara marihina fa na dia mifamatotra aza ny Teny vakiana sy ny Teny hazavaina dia samy manana ny hanitra ho azy ireo. Ny fihainoana ny teny vakiana dia efa mampiray antsika amin'Andriamanitra. Ary amin'ny Teny hazavaina kosa dia mbola afaka miteny aminao ihany Andriamanitra amin'ny alalan'ilay mpanompo manazava ny teny. 
Mora ny mihira rehefa miaraka marobe ao am-piangonana isika. Fa sarotra ny mihira irery indrindra moa fa raha ianareo mivady irery no ao an-trano. Fandresena eo anatrehan'Andriamanitra ny ahafahantsika manao ireo rehetra ireo eo anivon'ny tokatranon-tsika. 
Tsy vitan'izany fa ny Teny izay ianarantsika isan-kerin'andro dia fandaharana mitohy. Tsy natao ahazoantsika aim-panahy fotsiny, fa natao koa ianarantsika ny Tenin'Andriamininatra sy hananantsika kolon-tsaina ara- tSoratra Masina.